Ny lanjan’ny faneken’ny ankizy amin’ny firaisana ara-nofo: singa tokony haverina ho dinihina ve?

Fahavoazana ara-tsaina, ara-batana sy ratra isan-karazany,… izany no mety ho fiantraikan’ny fihetsika mamoafady zakain’ireo tratrany. Ny zava-niseho tatoato momban’io karazana fandikan-dalàna anankiray io no nampametraka fanontaniana momban’ny faneken’ny ankizy amin’ny firaisana ara-nofo.

Raha ampitahaina ny lalàna misy maneran-tany, dia misy karazany roa ny fomba fijery an’io fanekena io: na afaka manaiky an-tsitrapo ilay ankizy, ka hisy lanjany amin’ny fanapahan-kevitry ny mpitsara, na tsy afaka.

Etsy andaniny, raha misy ilay fanekena, tsy ho raisina ho fanolanana izany. Raha tsiahivina manko, ity farany dia voafaritra ho fanatsofohana ara-pananahana ampian’ny herisetra, ny fandrahonana na ny tsy ampoizina. Ity fomba fihevitra ity no noraisin’ny lalàna malagasy, espaniola ary frantsay.

Etsy ankilany nefa, ny fihetsika mamoafady atao amin’ny ankizy dia voasazy ninoninona fanekena mety nataony. Ny lalàna kanadianina na anglisy ohatra dia mirona amin’io fihevitra io. Arak’izany, ny fahamatorana ara-tsain’ilay ankizy no tsy ahafahany manaiky ny firaisana ara-nofo amin’ny fomba manan-kery.

Tsara ho fantatra fa eto Madagasikara, ny sazy aterakin’ny fanolanana ankizy latsakin’ny  15 taona dia sazy anterivonozona mandritran’ny fe-potoana ( 5 ka hatramin’ny 20 taona), ary mandrapahafaty raha toa ka firaisana amin’olom-pady no mitranga.

 

Partager :

Facebook
Twitter
Email

Commentaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Vous pourrez également apprécier

Loïc H. Kwan

Se débarrasser légalement d’un Président de la République : mode d’emploi.

Le pays a été le théâtre ces derniers jours d’évènements politiques qui, à juste titre, ravivent des peurs et des tensions à peines oubliées de la mémoire collective. L’Assemblée Nationale vote pour la déchéance du Président de la République ! Throwback sur ces derniers jours, avec le point de vue juridique qui manque parfois au débat.

Tourisme sexuel: que prévoit le code pénal?

  Qui sont concernés? Si Madagascar est connu pour ses magnifiques paysages attirant chaque année des milliers de touristes, une réalité économique désolante incitant majoritairement

Loïc H. Kwan

La taxe des chiens

La loi de finances pour 2017 a été votée et les nouvelles taxes qui y sont mentionnées s’appliqueront à partir de cette année. Parmi eux, la taxe sur la protection civile, plus communément connue comme étant la taxe sur les chiens ou encore la taxe sur les armes blanches, fortement critiquée par les cynophiles et les cuisiniers* (*pour plus d’explications, veuillez vous référer à l’article). Pour une fois qu’une loi sur les finances suscite de l’intérêt et non de la somnolence, ne boudons pas notre plaisir et parlons de ce devoir citoyen tant ignoré: l’impôt.