Fahavoazana ara-tsaina, ara-batana sy ratra isan-karazany,… izany no mety ho fiantraikan’ny fihetsika mamoafady zakain’ireo tratrany. Ny zava-niseho tatoato momban’io karazana fandikan-dalàna anankiray io no nampametraka fanontaniana momban’ny faneken’ny ankizy amin’ny firaisana ara-nofo.
Raha ampitahaina ny lalàna misy maneran-tany, dia misy karazany roa ny fomba fijery an’io fanekena io: na afaka manaiky an-tsitrapo ilay ankizy, ka hisy lanjany amin’ny fanapahan-kevitry ny mpitsara, na tsy afaka.
Etsy andaniny, raha misy ilay fanekena, tsy ho raisina ho fanolanana izany. Raha tsiahivina manko, ity farany dia voafaritra ho fanatsofohana ara-pananahana ampian’ny herisetra, ny fandrahonana na ny tsy ampoizina. Ity fomba fihevitra ity no noraisin’ny lalàna malagasy, espaniola ary frantsay.
Etsy ankilany nefa, ny fihetsika mamoafady atao amin’ny ankizy dia voasazy ninoninona fanekena mety nataony. Ny lalàna kanadianina na anglisy ohatra dia mirona amin’io fihevitra io. Arak’izany, ny fahamatorana ara-tsain’ilay ankizy no tsy ahafahany manaiky ny firaisana ara-nofo amin’ny fomba manan-kery.
Tsara ho fantatra fa eto Madagasikara, ny sazy aterakin’ny fanolanana ankizy latsakin’ny 15 taona dia sazy anterivonozona mandritran’ny fe-potoana ( 5 ka hatramin’ny 20 taona), ary mandrapahafaty raha toa ka firaisana amin’olom-pady no mitranga.